Ny momba ahy ✨
Tia teknolojia aho hatramin'ny fahazazako, fa ny zavatra manaitra ahy indrindra dia ny sehatry ny internet, izay nahatonga ahy te ho lasa développeur. Nanomboka tamin'ny lisea tamin'ny taona faharoa aho dia niditra lalina tamin'ny développement sy ny programmation. Nanomboka tamin'io fotoana io dia tsy misy zavatra manan-danja amiko noho ny fanatanterahana ny nofiko ho développeur.
Heritaona teny amin'ny oniversite, dia voatery niala aho noho ny tsy fahampian'ny vola amantsiana ny fianarako. Na izany aza, tsy nahatohitra ahy io sakana io. Niezaka nitady fomba hirosoana aho dia lasa nampiana-tena. Soa ihany fa nanana namana nanohy fianarana teny amin'ny oniversite aho. Amin'ny fanontaniana maro apetrako amin'izy ireo sy ny fahazoana ny fahalalana nozarainy, dia afaka nandroso aho. Nifampitondra tohin'ny mpirahalahy mihintsy izahay.
Amin'ny maha développeur 🚀
Amin'ny maha développeur dia tiako ny manandrana ny teknolojia vaovao ary tena ambitieux izaho amin'ity sehatra ity. Ankafiziko ny mamorona tranonkala mba hijerena fotsiny ireo frameworks sy bibliothèques. Ity fihofanana tsy tapaka ity dia ahafahako mijanona ho eo an-tampon'ny fironana teknolojia ary manampy hatrany ny fahaizako.
Mahatsapa tena ho matihanina aho amin'ity sehatra ity, na dia fantatro aza fa midadasika ity tontolon'ny développement ity ary tsy ho voafehy tanteraka amin'ny androm-piainana manontolo. Ity fomba fijery ity dia manosika ahy hanohy hianatra sy hamorona, mitady hatrany ny hanitatra ny fetran'ny fahalalako sy ny fahaizako.
Amin'ny maha formateur 🏷️
Nampianatra informatika tao amin'ny sekoly iray aho ary tena tiako ny mampianatra. Ankafiziko ny mampita ny fahalalako ary mahita ny olona miroso amin'ny tontolo iainako. Ny fanampiana ny hafa dia manome fahafinaretana lehibe ahy. Tsy misy mahafaly ahy noho ny mahita ny mpianatro mandroso sy mirakitra fahombiazana noho ny zavatra nampianariko azy ireo.
Nandritra ny fotoana, nisy tanora mpianatra maro nanontany ahy ny momba ny fampianarana sy torohevitra, ary lasa fahazarana izany. Hitako fa zava-dehibe ny fampiofanana ny olona amin'ny développement. Noho izany, dia nandray andraikitra aho hanao ny fampiofanako ho an'ny daholobe. Voalohany indrindra, mba hanampiana ny tanora hiomana amin'ny hoavy, ary faharoa, mba hanomezana fotoana ho an'ireo izay tsy manana fahafahana handeha any amin'ny oniversite, tahaka ahy taloha, mba hianatra momba ny développement web et mobile.
Manana ekipa aho 🔥
Mandeha haingana kokoa irery, fa mandeha lavitra kokoa miaraka amin'ny olona tia antsika, izay manana faniriana mitovy hahomby amintsika, ary tsy mahalala ny hoe miala. Tsy matetika aho no milaza izany, fa tena reharehako ny ekipako.
Araka ny fitenenana, tsy ny haben'ny trano no zava-dehibe, fa ny ambiance ao anatiny. Na dia tsy maro aza izahay, dia manjaka ny Good vibes ato aminay. Ny zava-dehibe rehefa mandeha dia tsy ny toerana haleha, fa ny fotoana lany mandritra ny dia miaraka amin'ireo olona izay mamorona ny fahatsiarovana tsara indrindra.